Finoana

Marc Ravalomanana mivady Niarahaba ny Kardinaly sy ny Eglizy Katolika


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Nanatrika ny fandraisana ny Kardinaly Désiré Tsarahazana teny amin’ny Villa Roma Ivandry, toeram-ponenan’ny solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny omaly.

Niatrika ihany koa ny lamesa lehibe voalohany notarihin’ity laharahana voalohany amin’ny Finoana Katolika eto Madagasikara ity teny amin’ny Ekar Saint François Xavier Antanimena omaly hariva. Tsy adinony ny niarahaba ny Eglizy Katolika eto Madagasikara sy ny Kristianina Katolika rehetra nahazo Kardinaly vaovao. Niarahaba ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, ary nirary soa azy, hahaleo hahalasana amin'ny adidy masina nankinina aminy. Zava-dehibe ho an'i Madagasikara ny nahazo Kardinaly indray rehefa niandry izany nandritra ny valo taona taorian’ny fodiamandrin’ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra ny 9 janoary 2010. Marihina fa tsy hipetraka eto Antananarivo ny kardinaly vaovao, fa hitoetra any Toamasina ary horaisina amin’ny fomba makotrokotroka any an-toerana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT