Finoana

Marc Ravalomanana mivady Mitondra fanantenana


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Mitety Boriborintany, mizara hafaliana sy fanantenana amin’ny vahoaka, indrindra ny Zokiolona sy ny marefo ara-pivelomana, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana amin’izao ankatoky ny Noely izao.

Teny an’ny Boriboritany faha-5 izy omaly. Mendrika ny fanamarihana ny Noely teny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Nasongadin’ny Mpanolontsaina manokana Marc Ravalomanana, nanome voninahitra ny fotoana fa « mendrika ny tsara ny vahoaka Malagasy, Mahaiza mizara Fitiavana ho an’ny mpiarabelona ary zava-dehibe ny fanajana ny Zokiolona». Ramatoa Ben’ny tanàna kosa no nanambara fa «Irariana ny hahitan’ny isan-tokatrano fifaliana amin’izao andro Noely izao». Nanao fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy ny avy amin’ny MAFUBO International. Fantatra fa efa misy foibe 9 ankehitriny eto Antananarivo handrindrana ny hetsika. Tsy mitondra fandrosoana ny herisetra ary nentanina koa ny olona mba hanaja lalàna, ary zava-dehibe ny fifampiresahana rehefa misy ny olana. Misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny Ben’ny tanàna, hoy izy. Ho fanamarihana ny Krismasy dia nanolotra vary, menaka, vatomamy ho an’ny vahoaka nameno kianja izy. Nomem-boninahitra manokana ireo Zokiolona amin’ny maha Raiamandreny azy ireo. Ny Mpanolotsaina manokana Marc Ravalomanana kosa taorian’ny famaranana ny fotoana dia nizara vatomamy ho an’ireo olona tsy tafiditra ny kianja, ary nihazo ny tsena tao Analamahitsy Cité izany. Nitohy tao amin’ny Boriborintany faha-4 ny fanamarihana ny Noely omaly tolakandro. Nisy ny fizarana menaka sy vary ka anisan’ny nahazo tamin’izany ny mpiasa 194 sy ny zanak’izy ireo avy. Tsy diso anjara koa ny zokiolona sy ireo olona marefo niisa 270. Nanome fitaovana toy ny borety, angady ho an’ny Boriboritany faha-4 ny mpandraharaha maromaro hampiasaina amin’ny fanadiovana, fitaovana izay azo ampiasaina avy hatrany. Nanatrika ny fotoana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Ny Mpanolotsaina manokana Marc Ravalomanana kosa no nanasongadina fa “ilaina ny fananana fanantenana izay tsy tokony amin’ny andro fety ihany fa ho isan’andro sy ho amin’ny hoavy”.

Jean D.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT