Finoana

Marc Ravalomanana Manatanteraka iraka ara-pinoana any Angletera


  • Alarobia 13 Jona 2018

Tsy eto Madagasikara efa ho herinandro izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ny fantatra dia manatanteraka iraka any ivelany amin’ny maha filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny finoana Protestanta teto Madagasikara ny tenany.

 

 Ny alarobia 6 jona teo izy sy Ramatoa vadiny no nandao an’i Madagasikara, nihazo an’i Angletera araka ny fanasana azony avy amin’ny Union of Welsh Independents ary nanatrika ny fankalazana ny faha-200 taonan’ny nialan’ny misionera voalohany nalefan’ny London Misionary Society (LMS). Manatrika izany koa ny delegasionina avy amin’ny foibe FJKM tarihan’ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa roanjato taona lasa tokoa izay no niainga avy any Cardiganshire, West Wales na andrefan’i Pays de Galles Angletera i Thomas Bevan sy David Jones, ka tonga tao Toamasina tamin’ny 18 aogositra 1818. Izay no anton’ny hanatanterahana ny fanompoam-pivavahana goavambe any Toamasina amin’ny volana aogositra izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT