Ambohipihaonan’ny mpino krisitianina indray Antsirabe. Ankoatra ny Synoda roa nifanesy (FJKM sy FLM) dia nisy ny fihaonamben’ny FTMTK na ny « Fikambanan’ny Tanora Malagasy Tantsaha Katolika »
, izay nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Mpizaika 3.000 mahery avy amin’ny Diosezy 18 nanerana an’i Madagasikara no niatrika ny fotoana ary ny Eveka misahana ny tanora, Mgr Philippe Ranaivomanana sy Mgr Fulgence Razakarivony no nitarika ny fotoana. FTMTK Sahy mivoatra, mitia ny zavaboary no teny filamatra nankalazana izany raha toa ka ny bokin’i Joany 5 : 17 milaza hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, Izaho koa miasa” no faneva. Nandritra ny fampianarana no nitondran’ny Eveka Fulgence Razakarivony fampianarana fa mila ny tanora ho sahy hijoro ny firenena manoloana ny zava-mitranga amin’izao fotoana ary mila fanavaozana ny tontolontsika Kristianina manoloana izany. Anisan’ny notsahiviny fa tokony hiainana ny filamatry ny fikambanana manao hoe : « Mivavaka – Miasa – Mandray andraikitra » fa tsy soratana fotsiny. Na izany aza dia nampitandrina ny tanora mba tsy hataon’ny olona fitaovana fotsiny ny tenany. Ny taona 1965 moa no nijoroan’ity fikambanana ity ary tamin’ny taon-dasa no nanokafana ny fankalazana izany, tany amin’ny Diosezin’Ambositra. Anisan’ny vahinin’ny tanora tantsaha katolika ny filoha Ravalomanana Marc, izay nijoro vavolombelona tamin’ny naha tantsaha azy ary nifampizara traikefa tamin’ireo tanora an’arivony sady nankahery ireo tanora tantsaha ihany koa. Finoana sy asa fampandrosoana no resaka teto saingy mihevitra ny mpanara-baovao maro fa tsy tongatonga ho azy izao fanatrehan’i Marc Ravalomanana ny fihaonamben’ny FTMTK izao fa karazana fanamafisana ny fifandraisana eo aminy sy ny Katolika izay nambara fa narisarisa tamin’ny naha filoham-pirenena azy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.