Finoana

Marc Ravalomanana Mahita vahaolana hatrany


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Olon’ny teny omeny ary tsy mba mivadika amin’ny zavatra nambarany fa ataony i Marc Ravalomanana.

 

Nandritra ny synoda lehibe faha-16 an’ny Fjkm notanterahana tany Antsirabe ny tapaky ny volana aogositra dia nanome toky ny mpino Fjkm izy fa hanao izay faraheriny amin’ny fanampiana sy fanasoavana ny Fiangonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ny Kolejy Teolojika eny Ivato.

Tanteraka izany ankehitriny. Omaly no napetraka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato ny vato fehizoro hanatanterahana ny asa fanorenana. Mazava ny resaka eto fa manatanteraka hatrany ny teny nomeny na eo anivon’ny fiarahamonina na eo ain’ny Fiangonana, indrindra moa fa eo amin’ny firenena i Marc Ravalomanana. Ankoatra ilay hoe : « Aza matahotra, minoa fotsin ihany » dia fomba fiteny nahafantarana azy ihany koa ho an’ireo izay niara-niasa akaiky taminy ny hoe : « rehefa misy ny olana, dia tsy maintsy misy foana ny vahaolana ». Kinga amin’ny fikaroham-bahaolana, ny fametrahana paikady hanatanterahana ny asa ary ny fitadiavana ny loharanom-bola hahavitana izany i Dadavalo. Samy manaiky an’io ny rehetra ary mbola noporofoiny izany amin’ity asa fanorenana eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato ity satria manodidina ny 7 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahana ny asa ao anatin’ny 22 volana, ary efa milamina ny zava-drehetra momba azy io. Mbola goavana kokoa noho izany ny vahaolana hanavotana nyfirenena efa voarakitra an-tsoratra ananan’i Marc Ravalomanana ary ahitany loharanom-bola avy hatrany. Tanjona ny hanasoavana ny firenena sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy, hoy izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT