Finoana

Marc Ravalomanana Hampiombona ny mpino FJKM


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2016

Fotoan-dehibe ho an’ny mpino FJKM ny taona 2018 ary efa miomana amin’izany sahady ireo mpitantana vaovaon’ity Fiangonana ity, izay vao voafidy nandritra ny sinaoda lehibe faha-18 notanterahina tao Antsirabe ny herinandro lasa teo

. Feno 50 taona katroka amin’io taona io ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tsy avelan’ny kristianina FJKM handalo fotsiny izany taon-jobily volamenan’ny Fiangonana izany fa homarihina manetriketrika ary hisy tsangambato ho marik’izany eny amin’ny sekoly teolôjika Ivato. Napetraka nandritra iny sinoda tao Antsirabe iny, ny komity hitantana ny fankalazana, ka ny filoha mpanampy laika teo aloha, Atoa Marc Ravalomanana no nosafidian’ny besinimaro ho filohan’ny komitin’ny jobily volamena faha-50 taonan’ny Fiangonana FJKM izay hankalazaina amin’io taona 2018 io sy ho fankalazana ihany koa ny faha-200 taona ny nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara. Fanirian’Atoa Marc Ravalomanana rahateo ny mbola hanohy ny asa fanompoana ny Fiangonana ka dia izy izao nanankinana andraikitra goavana izao. Marihina moa fa efa in-telo filoha lefitry ny fiangonana FJKM ny tenany ka tsy afaka nilatsaka intsony saingy mbola nomen’ny rehetra fitokisana amin’ny asa goavana izao indray, hampiombonana ny mpino FJKM.

Caïus R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT