Finoana

Mangina ny FFKM Kivy amin’ny mpanao politika ?


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Somary mangingina ireo Raiamandreny am-panahy eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) eo anatrehan’ny savorovoro politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao,

 

 

taorian’ny fanambarana sy torohevitra ho an’ny olom-pirenena hoe : olona matahotra an’Andriamanitra fidiana. Nandritra ny Ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM tany Toamasina ny 19 aogositra no nanaovany antso avo, fa ny fampiasana ny zo hifidy dia fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana ka tandremo, ny tsy mifidy fa efa namoaka didy aman-dalàna ny tompon’andraiki-panjakana, hoy ny fanambarana novakian’ny Pastora Rakotonirina David, Filohan’ny FLM. Tanteraho ny adidy, ary aoka hotandrovina toy ny anakandriamaso ny fandalana sy ny fanajana ny fahamarinana fa raha sanatria misy tsy fitovian-kevitra, tsy fitoviam-pijery, tsy fitoviana fomba fiasa, fanaovana zavatra tsy marina, dia tsy zakan’ity firenena ity intsony ny miditra anaty korontana na krizy vaovao, hoy ny FFKM. Nanao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa ny ao amin’ny governemanta sy ny ao amin’ny CENI mba hotandrovina mihoatra ny anakandriamaso ny fitantanana ny fifidianana amin’ny fahamarinana manomboka amin’ny lisitra ka hatramin’ny famoahana ny vokatra. Torak’izany koa ny tokony hitandroan’ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fitantanana ny fifidianana, ary ny fifanajana sy ny tsy fifandrafiana eo amin’ny samy kandida. Tsy izay no miseho ankehitriny fa maro ny lesoka, ary tena ahiana ny korontana sy savorovoro. Kivy ve ny FFKM fa tsy henoin’ny mpanao politika ? Sa kosa mbola manomana ny paikady ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT