MANDRESY TOUR

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao


  • Alakamisy 03 Septambra 2026

seho matotra i ISAAC DE PAUL

Ho velona indray ny tanànan’i Toamasina amin’ny Alahady 6 Septambra 2026, amin’ny alalan’ny Mandresy Tour 2026, fotoana lehibe natokana ho an’ny fiderana, ny hira ary ny fiombonana ao anatin’ny finoana. Ny mpanakanto Isaac de Paul no hitondra ity fotoana ity, miaraka amin’ireo vondrona sy antoko mpihira maro, anisan’izany ny Revival Tamatave, VDFI Mpihira, feon'ny mpandresy ary ny "Unis pour Jésus". Hisy ihany koa ireo vahiny nasaina mandritra ity hetsika ity. Tsy fampisehoana tsotra fotsiny ny Mandresy Tour 2026, fa fotoana iray hiarahan’ny rehetra midera, mihira, mifaly ary manamafy ny finoana. Koa asaina isika rehetra tsy ankanavaka hiara-hientana amin’ity fotoana miavaka ity, izay hotanterahina ao amin’ny Tamatave 501, ny Alahady 06 Septambra 2026 ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany hariva ny fotoana, tsara moa ny manamarika fa tsy misy ny fidim-pidirana.
Alicia.R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

  • FIANGONANA PANTEKOTISTA MITAMBATRA
  • Alatsinainy 24 Aogositra 2026

Nanao fotoam-bavaka

Hijery ny tohiny
FTT