Finoana

Manao antso avo ny FJKM « Aoka hifamela fa tsy hifanagadra eto »


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Hankalaza ny faha-50 taona niorenany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FJKM amin’ity taona 2018 ity, arahin’ny faha-200 taona nahatongavan’ireo misionera LMS teto amintsika.

 

 Fihaonamben’ny mpino etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina no hanokafana izany rahampitso alahady maraina.  Lohahevitra hitondrana ny hetsika ny hoe : taom-panafahana ka tsy hifanagadra na sanatria hifanenjika ny samy zanaky ny fiangonana nandray ny filazantsara, hoy ny pastera Randriamorasata Roger fa samy hadio fo sy hifamela heloka kosa mba hahatanteraka ilay teny filamatra : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ». Nisongadina izany omaly nandritra ny tafa nokarakarain’ny komitin’ny jobily tamin’ny mpanao gazety  tetsy Analakely.  Ny 15 ka hatramin’ny 20 aogositra ho avy izao no  ivon’ny fankalazana. Any Toamasina no hanaovana izany raha amin’ny volana oktobra kosa  no famaranana ny lanonana. Hiantsoan’ny fiangonana ny zanany rehetra ity hetsika ity. Mifamatotra tanteraka amin’ny tantaran’ny firenena mantsy ny tantaran’ny fiangonana, raha araka ny fanazavan-dRajemison Rakotomaharo ka tokony ho fantatry ny taranaka faramandimby. Anisan’ireny ny fanorenana sekoly, hanabeazana ny taranaka, ny tranomprinty… Nandritra ny  fahatongavan’ireo misionera ihany koa ny nanasoniavan’ny fanjakana Malagasy sy ny fanjakana Anglisy ny fifanarahana nanafoana ny fivarotana  andevo sy ny fandefasana olona tany ivelany…. Tsiahivina moa fa hiseho amin’ny endrika maro izao fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM izao. Anisan’ireny ny lalao ara-panatanjahantena maro samihafa toy ny familiana fiarakodia, ny hazakazaka am-bisikileta, ny lalao baolina kitra... Hisy ihany koa ny fananganana  trano lehibe fanampiny eny amin’ny sekoly fanomanana ho mpitandrina eny Ivato, ny fanatsarana ny sekoly David Jones any Toamasina ho mariky ny tsangambaton’ny jobily.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT