Finoana

Manakara Anaovan’ny Kaominina antsojay ny FJKM


  • Alarobia 25 Aogositra 2010

Manomboka ihany koa ny antsojay atao amin’ny FJKM ao Manakara ao. Efa nanomboka tamin’ireny lazaina fa tolom-bahoaka ireny no hoe handorana na handravana ny sekoly FJKM kanefa dia maro ihany ny sekoly mbola nikiry nianatra tamin’izany fotoana izany.

Ankehitriny raha manao asa fanorenana avy tamin’ny «Rehabil Suisse»  ny sekoly vokatry ny ezaky ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia ambolen’ny Kaominina sakantsakana hatrany. Noterena hividy ny ampahan-tany eo ankilany ny sekoly izay tanim-panjakana namidy taman’olona vao haingana, tsy mbola vita taratasy, satria «mila mihoatra iray metatra miala ny faritra, hono, ny fototra, izay mahagaga fa zavatra tsy mbola nisy tato Manakara», hoy ny loharanom-baovao akaiky ity fiangonana ity. Rehefa vita izay dia ampitahorina fa hajanon’ny Kaominina indray ny asa fanorenana satria misy tany koa «hono» mihoatra mankany amin’ny tanin’ny Kaominina. Araka ny fantatra dia noterena koa na ny fiangonana FJKM na ny Sekoly FJKM handoa vola hanaovana lalana ao an-tampon-tanànan’i Manakara ary natao mitovy laharana tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena, izay nahagaga ny Kristianina ao an-toerana satria tsy mba nisy fiangonana hafa na sekoly hafa natao toy izany. “Dia ho hita eo izay tohiny fa dia ny vavaka no atao be hiadiana amin’izany toe-javatra mampalahelo izany”, hoy ny zanaky ny fiangonana, izay nanamafy fa «tsy vao izao akory ity «fitadiavam-bola» ataon’ny ao amin’ny Kaominina ity». Ny loharanom-baovao akaiky ny Kaominina no nahalalana fa ilay mpiasan’ny Kaominina nanome ny fahazoan-dalana manorina trano na «permis de construire» mikasika io fanorenana sekoly FJKM ao Manakara io dia voakina mafy ary nahazo bedibedy tamin’ireo lefitry ny PDS. 

Nangonin’i Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT