Finoana

Mampihavana ny FFKM Hampihaonina ireo depiote nifamango


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Tontosa omaly tolakandro ny fotoam-bavaka notarihin’ny FFKM teny amin’ny EEM Ambohimanoro nenti-nitondra am-bavaka ny firenena manoloana izao toe-draharaha misy izao. Ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy izay ahitana ny filohan’ny FLM Dr Rakotonirina David,

Ny filohan’ny EKAR Odon Marie Arsène Razanakolona, ny filohan’ny Anglikanina Dr Ranarivelo Samuel Jaona, ary ny filohan’ny FJKM Irako Andriamahasozoa Ammi, mpitandrina no niara-namolavola azy io. Ity farany ihany anefa no teny an-toerana, ary nisolotena ireo namany ao anatin’ny FFKM izay tsy afaka noho ny adidy sy ny antony samihafa, ary nandefa fialan-tsiny. Ny FFKM amin’ny maha fiangonana azy dia mampahatsiahy ombieny ombieny amin’ny toe-javatra izay lalovana amin’ny firenena, fa ny zavatra lehibe indrindra, dia mitodika amin’Andriamanitra, hoy ny filohan’ny FJKM. Naverina nampahatsiahivina ny fanambarana ny 23 aprily lasa teo, dia ny fiombonana alahelo tamin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy ny 21 aprily sy ny firariariana fahasitranana ho an’ireo naratra. Heverinay fa tsy mendrika ny vahoaka Malagasy sy ity tanindrazana ity intsony izany, sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra, hoy ny FFKM. Ampy izay ny aina latsaka sy ny fahantrana vokatry ny fifandroritana nisy hatrizay, ka ireo vahoaka tsy manan-tsiny no mizaka ny voka-dratsin’izay, hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana. Ho fanatanterahana ny hafatry ny komity foiben’ny  faha-40-n’ny FFKM natao tany Antsirabe ny volana novambra 2017 kosa, dia hampiantso ireo zanaky ny FFKM hifanatona sy hifampidinika ho amin’ny fampihavanana ireo raiamandreny am-panahy. Ny fandaharam-potoana efa voavolavola, dia ny fihaonan’ny foibe FFKM sy ny SEFIP (Sehatra Eokiminika Fandinihana ny Fiainam-Pirenena) anio alatsinainy 30 aprily manomboka amin’ny 2 ora tolakandro etsy Vohipiraisana Ambohijatovo Ambony. Fampihaonana ny solombavambahoaka an-daniny sy an-kilany no hatao amin’izany, raha ny fanambaran’ny Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa hatrany. Mbola holazain’ny FFKM manaraka eo ihany ny tohin’ny fampihaonana. Tsara ny manamarika fa mpanao politika sy tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny no hita teny an-toerana, toy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, Praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy, ny filohan’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana Jean Eric Rakotoarisoa, ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM Maka Alphonse ny mpikambana sasany ao anatin’io rafitra io, minisitra teo aloha Ny Hasina Andriamanjato, ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, Hary Andrianarivo,… Ampiraisin’ny finoana sy ny fivavahana hatrany ny mpanao politika eto amintsika, fa sarahin’ny politika.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT