Finoana

Mampiaka-peo koa ny Silamo “Miala ny Filohampirenena raha hendry”


  • Talata 08 Aogositra 2017

Sesilany ny fanakianana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy fitondrana HVM tarihiny. Ireo olom-bitsy mahazo tombotsoa manokana amin’ny fitondrana sisa hany mankasitraka sy miaro fa ny sarambabem-bahoaka efa leo sy tofoka.

Ny vondron’olona sy vondrom-piarahamonina ary ny herivelona isan-karazany, dia samy milaza fa tsy ilaina intsony ny fijanonan’ny fanjakana eo amin’ny toerany, ka isan’ny nampiaka-peo ny Fari-bolana iraisan’ny silamo (Cercle de réflexion inter-musulmane), izay isan’ny herivelona manana ny maha izy azy sy matanjaka eto amin’ny firenena. Tsy ny Malagasy irery no tsy mahatoky io filoha io fa ny vahiny ihany koa, araka ny fanambaran’ny Cercle de réflexion inter-musulmane eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Mamy Souali. Na ho lany andro hitety ny vazan-tany efatra aza ny filoha tsy hahita izany fahombiazana izany intsony satria ny olona tantaniny aza tsy mahatoky azy intsony maika fa ny avy any ivelany, raha ny fanehoan-kevitr’io mpitarika io. Maro rahateo ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena fony izy nirotsaka ho filoha, saingy an-kavitsiana no vita raha vita, fa ny ankamaroany dia fampihesonana avokoa. Zary ny kolikoly sy afera maloto no nampalaza ny fitondrana, kanefa toa tsy sahin’ny filoham-pirenena akory ny mikitika ireo efa hitam-poko hitam-pirenena amin’ireny. Tokony hanao jery todika ny filoham-pirenena tamin’ny zavatra nambarany satria tsy mahatanteraka ny zavatra notenenin’ny vavany, ka tsy misy olona mahatoky an’io fitondrana io intsony, ka na ny tenany aza tsy mahatoky tena. Mila miala ny filoha, ary raha hendry izy dia mila manipy “gant”, hoy hatrany i Mamy Souali. Mikasika fifidianana 2018, dia tsy nisalasala izy nilaza, fa raha mizirizy mbola hirotsaka I Hery Rajaonarimampianina dia mazava be fa hisy korontana io, ary izy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Tsy vao ity Faribolana ivondronan’ny Silamo ity ihany no naneho hevitra amin’ny tokony hametrahan’ny filoha fialana sy tsy hirotsahany hofidiana filoha intsony, ka tsy hay na mbola hinia be didoha sy hanao kopisoroka ihany. Toa efa mizotra makany amin’izany mantsy ny antsojay atao amin’ny antoko atahorana amin’ny fifidianana, izay ataon’ny HVM ankehitriny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT