Mampaneno lakolosy ny FJKM

Ento amin'ny fahamarinana


  • Alakamisy 23 Aprily 2026

ny Firenena, jereo ny marary ny vahoaka"

Nivoaka ny hafatra ofisialy avy amin’ny Foibe FJKM taorian’ny fivoriana faharoa taorian’ny Synoda Lehibe faha-XX, izay natao tao amin’ny CFD Ampandrana ny 15 hatramin’ny 22 Aprily 2026, notarihin'ny Filohan'ny FJKM sady Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Ara-pinoana, lohahevitra lehibe amin’ity hafatra ity dia ny “Finoana sy Fampanantenana”, izay ijoroan’ny FJKM amin’izao foto-pinoana izao. Nampahatsiahivina ny mpino rehetra fa ny finoana manatanteraka sy ny fampanantenana manantena no fototry ny fiainam-pinoana kristiana. Nambaran’ny Foibe fa isan’ny fanatanterahana izany ny fanendrena Mpitandrina vaovao miisa 119 sy Mpampianatra vaovao 59, avy amin’ny Toeram-panomana sy ny IFRP. Ankoatra izany, tapaka ny hanatanterahana hetsika lehibe roa amin’ity taona ity: herinandron’ny Fampianarana-pinoana: 21–25 Septambra 2026 sy ny erinandron’ny Reformasiona: 19–24 Oktobra 2026. Hankalazaina ny Alahady 31 Mey 2026 kosa ny Jobily faha-200 taona ny Trano Printy FJKM , ka ny isan-pitandremana dia hanokana rakitra manokana ho an’ny fankalazana. Tao anatin’ny hafatra manokana ho an’ny mpiara-belona sy ny tomponandraikitra isan-tokony, dia nankahery ireo traboina ny FJKM, nanentana ny kristiana rehetra haneho fitiavana, firaisankina, sy faharetana manoloana ny manjo ny vahoaka. Notsindriana fa amin’ny fotoan-tsarotra toy izao, ilaina ny fahavononana hanampy sy ny fitokiana amin’Andriamanitra. Ho an’ny tomponandraikitra, dia notsindrin’ny Foibe FJKM ny andraikitra ara-moraly sy ara-panahy amin’ny fitondrana ny vahoaka amin’ny fahamarinana sy ny fahendrena. "Mitodika amin’ireo tomponandraikitra isan-tokony eto amin’ny firenena, na olom-boatendry, na olom-boafidy mba hijoro amin’ny fahamarinana ary ho mahatoky ka hijery ny manahirana ny vahoaka, sady hihaino ny hetahatehany sy ny mampitaraina azy. Aoka isika tsy hikatsaka afa tsy ny tombontsoa sy fiainana ho an’ny vahoaka.", hoy ny hafatra hentitra. Nampirisihina ny mpitarika rehetra hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kina amin’ny sehatra rehetra. Nanamafy ny Foibe FJKM fa ny finoana sy ny asa tsara no fototra hanorenana fiaraha-monina kristiana matanjaka sy maharitra, ary ny Fiangonana dia maniry ny ho mpaminany sy mpanazava amin’ny fiaraha-monina malagasy amin’izao fotoana sarotra izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

Hijery ny tohiny
FTT