Finoana

Makotroka any Mahajanga Raikitra ny JMJ Mada 2018


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Nosantarina tamin’ny lamesa lehibe tao amin’ny Village Touristique ao Mahajanga ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Fihaonamben’ny tanora andiany faha-9 na ny JMJ MADA 9 any amin’ny tanànan’ny Voninkazo.

 

Mpizaika maro be avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no manatrika izany any an-toerana amin’izao fotoana ary misy aza mbola eny an-dalana satria hatramin’ny 14 oktobra ny fihaonambe. Nisy ny olana kely teo anivon'ny fikarakarana satria tsy ny mpizaika rehetra no mbola nahazo ny "badge" ahafahana miatrika ity fankalazana ity. Azo lazaina fa nilamina amin'ny ankapobeny ity fanokafana ny JMJ faha-9 ity. Tanora avy amin’ny fiangonana katolika manodidina ny 100 000 no mandray anjara amin’ity fihaonambe fanaon’ny tanora katolika ity, izay eo ambany fiahian’ny Monsenera Désiré Tsarahazana, ary mazava ho azy fa hisy ihany koa ny iraka avy any Vatican hanome voninahitra izany. Misy tamin’ireo kandida filoham-pirenena moa no nanatrika sy nanome voninahitra ny fanokafana omaly, ka isan’izany i Marc Ravalomanana, izay efa hatry ny tamin’ny alatsinainy teo no nihazo an’i Mahajanga. Nifanakaiky toerana izy sy ny kandida Eliana Bezaza sy Mahafaly Solonandrasana Olivier. Sarahan’ny politika sy ny fifidianana izany ireo kandida fa akamban’ny fivavahana sy ny finoana. Makotroka tanteraka any Mahajanga amin’izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT