Finoana

Mahajanga Vaky ny adin'ny samy Silamo


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Mafampana ny toe-draharaha ao Mahajanga ankehitriny. Raikitra ny adim-pinoana amin'ny samy Silamo, tsy nisy ankinafinafina intsony ny zoma lasa teo fa samy nivoaka naneho ny heviny nampiantso mpanao gazety ny Chiite sy ny Sunnite.


 Lavin'ireo mpino silamo Sunnite ny fitsabatsabahan'ny Chiite amin'ny raharahan'izy ireo. "Tsy ekenay ny fitsabatsabahan'ny fikambanana shiita amin'ny Centre Cheik Ali Alimasse, fanananay madiodio io, tsy ekenay ny mety ho fitantanan'izy ireo io toerana io sy izay rehetra fampiasana vola", hoy ny solontenan'ny silamo Sunnite nandritra ny hetsika nataon'izy ireo nialohan' ny lanonana fanokanana ny Centre Cheik Ali Alimasse. "Tsy mitaky na miady ny Centre vaovao izahay”, hoy kosa ny andaniny fa kosa “tsy manaiky ny fampisaraham-bazana sy fampiadiana ny samy mpino silamo eto Mahajanga sy eto Madagasikara”. Efa nisy ny tsy fifanarahana teo amin'ny roa tonta nandritra ny fifidianana izay ho birao hitantana ny Fikambanana Silamo Malagasy (FSM) izay tsy neken'ny Sunnite noho ny fifidianana tsy nanaraka ny fomba silamo raha ny nambaran’izy ireo. Hentitra ny fanambarana nataon'ny filohan'ny FSM, fa tsy tokony hampisara-bazana ny finoana sy ny hevitra tsy mitovy, tokana ihany ny foto-kevitra ijoroan'ny FSM, fikambanana miahy ny mpino silamo rehetra et Madagasikara, na Malagasy na vahiny. Miisa 39 ireo Mosquée ao Mahajanga ankehitriny izay mizarazara araka ny foto-keviny sy ny fomba fanaony.

Vahaniaina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT