Mahajanga

> Nanasa ny FFKM ny Lehiben’ny Faritra Boeny vaovao


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Nanasa ny FFKM Mahajanga ny Lehiben’ny Faritra Boeny vaovao Saïd Ahamad Jaffar ny Alakamisy 22 aogositra tao amin’ny birao fiasany. Nambarany fa manana ny andraikiny eo amin’ny firahamonina ireto Raiamandreny am-panahy kristianina ireto ka izay no antony voalohany nanasany azy ireo amin’ny maha Raiamandrenin’ny Faritra azy ihany koa.

Faharoa, dia ny fanamafisana sy fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Faritra sy ny Fiangonana. Fahatelo, dia ny fanomezan-toky nataon’ny Lehiben’ny Faritra ireto Raiamandreny ireto fa na dia mitondra anarana silamo sy manaraka ity finoana ity aza ny tenany dia tsy manana toe-tsaina manilikilika sy manavakavaka mihitsy amin’ny hafa finoana aminy.

 

Nandeha be mantsy ny resaka tao Mahajanga hatramin’ny naha voatendry ho Lehiben’ny Faritra Boeny an’Atoa Saïd Ahamad Jaffar, izay Sakalava manaraka ny finoana silamo, fa ho lasan’ny Silamo ary hanjakan’izy ireo sy ny Zanatany, izay teratany Kaomorianina valovotaka ao Mahajanga ny tanàna. “Tiako haseho, mba hisian’ny fifampitokisana eo amiko sy ny vahoakan’i Mahajanga ary ny Faritra iadidiko, fa tsy tokony hampisy ahiahy ny finoako fa samy manana ny finoany ny rehetra ary tsy ho sakana eo amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana izany”, hoy izy. Naneho fankasitrahana izao fahatsorana sy fisokafana amin’ny rehetra izao ny FFKM Mahajanga izay notarihin’ny Prezida sinodalin’i Boina Vaovao, Rakotomalala Olivier, Mpitandrina, ary nilaza ho nahazo toky tokoa raha nisy ihany ny fisalasalana teo aloha.

 

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT