Nanomboka omaly ary hifanarana rahampitso alahady 29 aprily ny andron’ny sekoly FJKM tanterahina any Mahajanga. Fanompoam-pivavahana lehibe tao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina Sekoly FJKM 605 manerana ny nosy, sahanin’ny mpampianatra 4200 no mandray anjara amin’izy io.
Amin’ny maha sekolim-pinoana azy, mifototra amin’ny fitaizana ara-panahy ny fanabeazana omena ireo mpianatry ny sekoly FJKM, saingy tsy mijanona amin’izay ihany satria tsy adino ihany koa ny ara-batana sy ara-tsaina izay fototry ny maha olom-banona. Nitarika ny lanonana ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM sy ireo tompon’andraikitra ary ny mpampianatra sy mpanabe eny anivon’ny sahan’ny sekoly FJKM avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Teo ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny maha filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM azy, ka miara-dia aminy any an-toerana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Ambohipihaonan’ny ankizy sy tanora FJKM, araka izany, ny any Mahajanga amin’izao fotoana. Toy ny fahita mahazatra, dia mahasarika ny rehetra hatrany ny mihaona sy miara-maka sary ary ny mifanakalo hevitra amin’i Marc Ravalomanana, ka dia ireo mpianatra sy mpikatroka amin’ny sekoly FJKM no nisitraka izany tamin’ity indray mitoraka ity. Hafatra fohy sady mafonja kosa no napetraky ny filohan’ ny FJKM Irako Ammi Andriamahazosoa ho an’ny mpianatra sy ny mpanabe rehetra eo anivon’ny sahan’ny FJKM, dia ny hoe: “Sarobidy ny asa fanabeazana, raha tsara ny sekoly mihena ny asan-devoly, raha tsara ny fanabeazana mandroso ny tanindrazana”. Zava-dehibe io, izay manaporofo fa rehefa ny fanabeazana sy ny fampianarana no tsy manjary, dia miseho ny tsy fanjariana rehetra sy ny fahapotehan’ny firenena. Miainga any amin’ny fanabeazana ny hahafahana manana ankizy sy tanora afaka ny ho tena tompon’andraikitra aoriana. Rehefa tsara fototra any amin’ny fanabeazana, dia mora kokoa ny hahatongavana ho olom-banona sy ho tosika amin’ny fampandrosoana fa tsy vesatra na ho fahavalom-pirenena sanatria. Hitohy amin’ ny hetsika maro samihafa ao amin’ny FJKM Ziona Vaovao moa ity fotoan-dehibe ity anio, ary hifarana tanteraka rahampitso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.