Finoana

Mafonja ny hafatry ny Papa Fransoa Mihavàna, reseo ny kolikoly !


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Ny sabotsy maraina teo no nihaona tamin'ireo manampahefana isan-tsokajiny, teny amin'ny lapan'Iavoloha ny Papa Fransoa. Tamin’izany no nisy lahateny ofisialy voalohany, hatramin'ny nigadonany omaly teny Ivato.

 

Taorian’ny fiarahabana fanao mahazatra, miantefa amin’ireo olo-manan-kaja tonga nanatrika sy ny vahoaka malagasy rehetra, dia nampahatsiaro sahady ny Ray Masina fa ao anatin’ny savaranonandon’ny Lalàmpanorenana Malagasy ny “Fihavanana”, izay soatoavina isehoan’ny fanahy maha malagasy, ahafahana manohitra ny olana atrehina isan’andro. Notsipihiny fa ny politika dia fitaovana fototra enti-manandratra ny maha-olom-pirenena sy ireo vina momba ny olombelona. Ny asa sy ny andraikitra politika dia miteraka fanamby maharitra ho an’ireo izay nomena ny iraka. Ny tompon’andraikitra ara-politika dia tokony hanamora ny fivoarana mendrika sy marina ary mampirisika an’ireo mpisehatra rehetra mba handray andraikitra koa. Nomarihin’ny Papa fa tsy misy krizy roa misaraka izany fa tsy maintsy miaraka mifamahofaho ny krizy ara-tsosialy sy ny krizin’ny tontolo iainana ka zava-dehibe ny mamorona asa fihariana hahazoam-bola, izay manaja ny tontolo iainana.  Fankaherezana kosa no nentin’ny Papa ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy iray manontolo, momba ny ady amin’ny kolikoly. Mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy mantsy ny areti-maharitry ny kolikoly, hoy izy. Raha fehezina dia niompana tamin ny fitsinjovana ny maha olombelona sy ny tontolo ara-boajanahary, ny fihavanana ary ny ady amin’ny kolikoly ny lahatenin’ny Ray Masina Fransoa. Ny fomba fitantanana an’ireo rehetra ireo dia tokony hipaka amin’ny fiainam-bahoaka. Nilaza koa izy fa tokony hohenoina ireo mpisintona lakolosy, toy ny firaisamonim-pirenena, ny fiangonana ary ireo mpiantsehatra maro samihafa.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT