Finoana

Madagasikara sy Vatican Feno 50 taona ny fifandraisana


  • Talata 24 Janoary 2017

Ny 27 ka hatramin’ny 31 janoary 2017 izao no hankalazaina eto amintsika ny faha-50 taonan’ny fifandraisana diplomatika eo amin’ny fiketrahana masina ao Vatikan sy ny firenentsika. Io no anton’ny fandalovan’ny sekreteran-panjakana ao Vatikan,

 ny kardinaly Pietro Parolin, eto amintsika mandritry ny dimy andro, araka ny fanazavana nomen’ireo olobe katolika avy eo anivon’ny “Conférence des évèques de Madagascar” tetsy amin’ny Episcopat Antanimena, omaly. Ny alin’ny 26 janoary izao no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ity sekreteram-panjakana ity ary ny ampitson’io ny tenany dia efa hihaona amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly, raha ny fandaharam-potoana. Maromaro ny hetsika hataony mandritra izay 5 andro izay, anisan’izany ny fitsidihana ny oniversite katolika eny Ambatoroka sy ny fihaonana amin’ny fivondronamben’ny Eveka ary ny fitarihana sorona masina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Mirija 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT