Finoana

Lycée Galliéni Andohalo Hampiantrano ny oniversite FJKM Ravelojaona


  • Talata 15 Martsa 2016

Oniversite "FJKM Ravelojaona". Izany indray izao no ritsoka vaovao mitsoka eny Andohalo eny. Vao hisokatra izy ity, ary hanofa ny ampahan'ny tranon’ny Lycée Galliéni.

 

 Nanamafy io fifanarahana fampanofana trano io ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, Rakotozafy Ramasy Hary Soa. Trano efa nipetra-potsiny tsy nampiasaina an-taonany maro no hofain’io oniversite io. Izy no miantoka ny fanarenana azy, araka ny fanazavany. Mety efa nahazo fahazoan-dalana hisokatra izy matoa miroso amin’ny fikarakarana ny trano, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavana. Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina ny fisokafan’ity oniversite ity. Misy loharanom-baovao milaza fa tsy nahafantatra ny hanokafana io oniversite FJKM Ravelojaona io ny  filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala, mpitandrina fa kononkonona ambadika tany vao nitaterana ny ho fisiany. Efa misy fandravana ny ampahan'ny trano ao an-toerana, izay tokony ho nahazoana “permis de démolition”, ary nitarika ny fanesorana ny mpiasan'ny lycée nipetraka tao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT