LOZAM-PIFAMOIVOIZANA FARAN’NY TAONA

Akon’ny datin’ny 01 Novambra avokoa, hoy Pastera Heritiana


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Nanao tohivakana tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana naharatrana olona teto amintsika.

Toraka izany koa ireo namoizana ain’olona, indrindra amin’izao ankatoky ny famaranana ny taona 2024 izao. Nambaran’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, fa akon’ny fanamarihana ny datin’ny 01 Novambra izay fetin’ny maty avokoa no mahatonga izany. Aorian’ny 01 Novambra sy ny volana Desambra manontolo hoy izy dia manjaka ny fanahin’ny fahafatesana. Raha vao mikirakira faty na milalao resaka faty ny olona hoy izy dia mirongatra ny fanahin’ny fahafatesana ka tafiditra ao anatin’izany ny fandehanana eny amin’ny fasana. Tsy misy afa-tsy ny fitoriana ny sitrapon’Andriamanitra irery ihany noho izany no tena vahaolana hoy Pastera Heritiana fa tsy hita ny fomba hilazana azy hoe : hajanony ity na hajanony iry. Ho an’ny Fiangonana Vahao ny oloko izay naoriny ohatra dia nohazavainy sy nampianariny ireo mpino ao aminy fa rehefa maty indray mandeha ny olona dia afaka misaona na mitomany iny havany lasa iny ilay nidonam-pahoriana. Rehefa fa any kosa ilay nodimandry hoy izy dia aza tia milalao fanahin’ny fahafatesana fa tena miantso fahafatesana izany.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano Fivavahana Vahao ny oloko !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT