Finoana

Loka « Sylvia Michel 2015 » Norombahan’ny mpitandrina Rabemila Yvette sy Rabarijaona Brigitte


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Norombahin-dRabemila Yvette sy Rabarijaona Brigitte samy mpitandrina vehivavy eo anivon’ny fiangonana FJKM ny loka Sylvia Michel 2015, natolotra azy ireo tany Soisa ny 08 martsa lasa teo.

Ny fiangonana protestanta Soisa miara-miasa amin’ny PANKS ( fikambanan’ny vehivavy filoham-piangonana any Soisa) sy ny CMER ( fiombonan’ny fiangonana  Reforme maneran-tany) ho an’ny vehivavy miezaka amin’ny haitarika ( leadership) no nanolotra ny loka izay  mitentina 5.000 dolara entina hanatanterahana ilay tetikasa « Empowering women ministers ». Tanjona amin’io tetikasa io raha araka ny fanazavan’izy mpitandrina mirahavavy mianaka ireto ny hanomezana fanampim-piofanana sy fampitaovana ny mpitandrina vehivavy ao amin’ny FJKM mba ho vonona handray andraikitra amin’ny seha-pitarihana sy fanapahan-kevitra eo anivon’ny fiangonana. Tsiahivina moa fa miisa 20 ny antontan-taratasy nifaninana tamin’izy mianaka mirahavavy ireto ka nisy tamin’ireo no avy any Inde. Sylvia Michel no anaran’ilay loka satria io no vehivavy voalohany voafidy ho filoham -piangonana tany Eoropa. Marihina moa fa ny mpitandrina  Rabemila  Yvette no namorona ilay Caravane des femmes pour la paix eto Madagasikara.

Pati

Légende : Nandritra ny fotoana nanolorana ny loka azy mirahavavy mianaka tany Soisa ny 08 martsa taona 2015

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT