Finoana

Lehilahy Midera – Fjkm Tranovato Ambatonakanga Hihira ho an’ny zon’ny ankizy


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Amin'ny alahady 24 jona izao amin'ny 4 ora hariva dia hanolotra amboarankira tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny iray volan'ny ankizy ny Lehilahy Midera, rantsana mpihira anivon'ny Sampana Lehilahy Kristianina ao amin'ny Fjkm Tranovato Ambatonakanga.

Hetsika hiarahana amin'ny HAVATSA UPEM sy ny Centre Orphelinat FJKM –TOPAZA izy ity.Tanjona amin’ity hetsika ity ny fanentanana ny rehetra ny amin’ny hanajana ny zon’ny ankizy izay voarakitra an-tsoratra amin’ny alalana fifanaraana iraisam-pirenena maro ka ny tena lehibe amin’ireny dia ny Convention relative aux droits de l’enfant(CIDE), izay nankatoavin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana tamin’ny 20 novambra 1989. Hoventesin’ny « Lehilahy Midera » mandritra ity fampisehoana ity ireo hira ao anatin’ny fihirana FFPM izay mitady efa hadino na tsy hain’ny olona tsara toy ny « O rankizy izahay mivory » (811) sy « Ry Jesoa zaza Masina O » (767). Tsy misy vidim-pidirana ny hetsika ary natao ho an’ny rehetra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT