Finoana

Leadership Chrétien de Développement Vonona hampita ny traikefa ho fampandrosoana ny firenena


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Vonona hampita ny traikefany amin’ny mpiray tanindrazana ny “Leadership Chretien de developpement” ho fampandrosoana ny firenena.

 

Tsy mijanona amin’ny fahaiza-mitarika fotsiny izany, hoy Rajoelison Herilala, filohan’ny fikambanana fa avy hatrany dia mandeha any amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny asa mivaingana, arahina teknika maty paika. Ny tsy fananan’ny tompon’andraikitra izany mantsy ho an’ny LCD no anisan’ny nampikorosy fahana ny firenentsika tahaka izao. Nanatanteraka ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2018 teny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato izy ireo omaly, narahina fiaraha-misakafo. Tonga nanotrona azy ireo ny mpikambana LCD maro be  avy any am-pitandranomasina izay saika nahatonga solontena avokoa. Nisy ny fampianarana nomen’izy ireo ny mpikambana eo anivon’ny LCD eto Madagasikara nandritra izany, narahina fifampizarana traikefa. Nanotrona ny lanonana ny antoko mpihira eo anivon’ny LCD eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT