Finoana

Leadership Chrétien de développement Hanangana « auditorium » lehibe hampisehoana ny maha-Malagasy


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Roa taona sahady izay no niorenan’ny fikambanana « Leadership Chrétien de développement » eto amintsika, tsy manao pôlitika saingy kosa mikendry ny tsirairay mba hanam-pahendrena sy hahay hifandefitra ka ho afaka hifampihaino sy hifanohana amin’ny fiainana ho fampandrosoana ny firenena.

Betsaka ny asa efa vitan’izy ireo tao anatin’izay roa taona izay, raha araka ny fanazavan’ny filohany Atoa Rajoelison Herilala. Anisan’ireny fanohanana ny tanora mba hanangana orinasa amin’ny alalan’ny fampihindramam-bola, ny fanampiana ny isan-tokantrano amin’ny fanamboaran-trano raha eo ihany koa ny fampiroboroboana ny lafiny fambolena. Ankoatra izay dia hanangana “auditorium” lehibe eto an-drenivohitra izy ireo hampisehoana ny maha-Malagasy. Anisan’ireny ny lafiny kolontsaina, toerana izay ezahina hahazaka olona hatramin’ny 2500 isa…Handray vahiny marobe mpikambana ao amin’ny LCD avy any ivelany izy ireo ny Alahady ho avy izao eny Ivato. Anisan’ireny ny avy any Maurice, Afrika atsimo, Australia, Amerika, Sina….Tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mifanohana sy mifanakalo traikefa, ho fampandrosoana ny firenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT