Finoana

Latsaka an-katerena ny firenena Voatery miditra an-tsehatra ny fiangonana


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Tsy toy ny talohan’ny taona 1991 sy 2002 ary 2009 intsony ny dindon’ny zavatra hitranga mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.

 

Niaiky izany avokoa na mpamakafaka politika na ny CENI na ny komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), eny hatramin’ireo mpitondra fivavahana. Raha ny zava-misy tamin’ireo taon-krizy niisa 3 voalaza teo ireo dia samy mbola nionona tamin’ny fivondronana nitadiavana vahaolana niaraka ny avy eo anivon’ny fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara na FFKM. Ankehitriny kosa dia efa hita mihitsy fa miha mazava ny fitsinjarana asa. Ny FJKM sy ny FLM samy efa nilaza ny hamory ny olony mba handraisan’ireo kristianina ny andraikiny manoloana ny raharaham-pirenena. Ny avy eo anivon’ny EKAR dia miha mafy hatrany ny fampanenoany lakolosy miantefa amin’ny fitondram-panjakana fa miha latsaka an-katerena hatrany ny firenena. Saika nivaivay mihitsy aza ny olon’ny fikaonan-dohan’ireo Eveka raha raikitra ny fisamborana noho ny raharaha Soamahamanina ny taona 2016. Na ny hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) koa aza niverina nipoitra indray nefa tamin’ny tetezamita no nahenoana azy farany. Tsy maintsy miditra amin’ny raharaham-pirenena, araka izany, ny fiangonana. Hatramin’ny minisitry ny rano sy ny angovo aza niaiky fa ilaina trotroana am-bavaka amin’izay ity raharaha ity. Ny irariana dia ny hisian’ny filaminana.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT