Finoana

Lasa rombo evanjelika? Nifamono ny mpino Jesosy Mamonjy…


  • Talata 16 Aogositra 2022

Tahaka ny tamin’ny herinandro, niafara tamin'ny sakoroka indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Vao maraina dia efa rakotra mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Ny miaramila misatro-mena mihitsy no navoaka.

Navela niditra fa narahina fisavana ihany ireo olona, saingy niafara tamin'ny tamin’ny fifamaliana ka ny andaniny nilaza aleo hitondra I Pasitera Raymond fa efa mazava ny voka-pifidiana, ny ankilany milaza fa nahita hala-bato ny deleke ka tsy ekena ny mpangala-bato. Vokany, niafara tamin’ny rotaka nisiana fahavakian'ny fitaratra, fahasimban'ny seza, ary nisy ireo olona naratra sy torana. Ireo lehibe toa mifampizirizy, ny vahoaka mpino lasa mirotaka sy nifamono. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 29 jolay 2022 no nivoaka ny “Récépissé” milaza fa ny ny Pasitera Randrianatoandro Raymond no lany ho Filoha arahin’ireo lisitra miisa 8 miaraka aminy. Tsy nanaiky kosa ny ankilany, ary naneho fa betsaka ny hosoka, maro no noverezin-jo, ny fifidianana tsy milamina kanefa ny “Récépissé” efa nivoaka,… Tonga hatramin’ny fanambarana fa tsabahan’ny mpanao politika iray izay ambaran’ny andaniny fa tsy mpivavaka ao akory ny raharaham-piangonana. Nilaza ny Depiote IRD Naivo Raholdina momba io raharaha io fa ny Antoko TIM no nanakorontana ny Jesosy Mamonjy, ka sary nangalarina tany amin’ny rindrina facebook-n’ny mpanao gazety iray nanasan’ny fiangonana ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny sekretera jeneralin’ny TIM ankehitriny efa 2 taona lasa no nampiasainy. Ny Prefe tetsy andaniny nanapaka fa tsy misy fifidianana haverina izany, fa mandany andro satria efa nifanekena ny voka-pifidianana,… Tonga hatrany amin’ny fitsarana!
MIKATONA AFATSY NY ALAHADY…
Nanapa-kevitra ny Prefen’ny Polisy eto Antananarivo fa hakatona amin’ny lafiny rehetra ny fiangonana mandritra ny herinandro manontolo. Hikatona hatramin’ny sabotsy, fa tsy hajanona kosa ny fotoam-pivavahana, fa hisy kosa ny fepetra horaisina hoenti-misakana ny mety ho fifandonana, indrindra fa manoloana ny mety hitondrana ny olona sasany zavatra mety handratrana ny hafa. Hisy hatrany ny fametrahana mpitandro filaminana manodidina ny Fiangonana mba ho fiandry eo anatrehan’ny mety isian’ny sakoroka. Voarara kosa ny fivorovoriana sy fitangorongoronana manodidina ny Fiangonana. Tena tsy afa-miresaka sy mifandamina ve ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Jesosy Mamonjy ? Tena vahaolana ara-panjakana sy famoahana tafika ve no mety sy hampilamina ity raharaha ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT