Finoana

Lapan’ny Fitsarana Anosy Nifandramatra ny samy Silamo


  • Alarobia 21 Septambra 2016

Nifampitory ireo milaza fa tompon’ny fikambanana FSM na Fikambanana Silamo Malagasy ka niakatra teny amin’ny fitsarana

Anosy omaly talata 20 janoary ny raharaha. Rehefa nohenoina avy ny an-daniny mpitory nandefa ny solontenany tao amin’ity fitsarana ity sy ireo ampangaina fa mpisandoka ary mampiasa ny anaran’ny FSM nitarihany Fivoriambe tamin’ny 27 sy 28 aogositra 2016 teny Alarobia dia Atoa isany Todiarivo Pierre sy Abdoul Hady ary Afick Gassard, dia tsapa fa tafiditra resaka politika ny raharaha ka mivoana amin’ny foto-kevitra fivavahana ijoroan’izy ireo izany. Samy manana taratasy avy amin’ny minisiteran’ny Atitany tantanan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny roa tonta rehefa nifandahatra teo anoloan’ny mpitsara. Dia toy ireny zava-nisy ara-politika tamin’ny 2009 ireny no niseho tamin’ity fa efa nisy izany fampihavanana ireo mpikambana izany, tafiditra tao koa ny « feuille de route » nandaminana ny disadisa, tonga hatramin’ny resa-bola. Ary ny nahazendana dia nifampihantsy tety ivelany rehefa nivoaka ny lapan’ny Fitsarana ireo olona mpomba ny an-daniny sy ny an-kilany ary nifampisotasota mihitsy aza. Vao fitsarana aza, hoy ny mpitazana no vita dia efa izao, mainka fa amin’ny andron’ny famoahana ny didy amin’ny 27 septambra 2016, tsy asa fotsiny ? Saika sahirana mihitsy moa ireo mpitandro ny filaminana teny an-toerana nangataka ny hivoahan’ireto mpino ireto ivelan’ny Lapa mba tsy hitaran’ny savorovoro.

Ntsoavina Evariste/Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT