Finoana

Lamesa teny Soamandrakizay Natrehana mpino efa ho 1 tapitrisa


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Tomefy olona ny kianjan' i Soamandrakizay ary tanaty hafaliana no nandraisan' ireo mpino katolika ny Papa Fransoa teo am-pahatongavany. Fotoan-dehibe tokoa satria ny Papa Ray Masina no nitarika ny fotoam-pihavanana.

 

 

 

 

 Fanoharana miisa telo no nivoitra nandritra ny toriteny izay nifono hafatra mafonja ho an' ireo mpino kristianina. Voalohany, mitaona antsika mba hijery ireo fifandraisana ara-pianakaviana ny Papa Fransoa. Rehefa ny rohim-pianakaviana no lasa fanalahidy enti-mamaha olana ary enti-manapaka amin' izay rehetra marina sy tsara,mora ny manamarina eny fa hatramin' ny hoe manamasina ny fanao sasany izay mirona any amin'ny kolotsain' ny fitadiavana tombotsoa sy ny fanilihana ny hafa. Faharoa, tsy azo afangaro amin'ny tombotsoan'ny tena na amin'ny hery mahasarika avy amin'ny firehan-kevitra mba hanamarinana ny herisetra, ny fanavakavahana ny famonoana olona , ny sesitany,ny fampirohorohoana ary ny fanaovana ny olona eny anjorom-bala. Nanamafy ny Papa Fransoa omaly fa ilaina ny manorina tantara ao anatin'ny firahalahiana sy ny firaisan-kina, ao anatin'ny fanajana maimaim-poana ny tany sy ny fanomezana azo avy aminy ho fanoherana ireo endrika fanjakazakàna. Farany,rehefa ny hazakazaka amin'ny fanangonan-karena no manjary manempotra dia mahatonga ny fitiavan-tena sy ny fampiasàna ny fomba tsy mifanaraka amin'ny moraly hiharatsy kokoa. Teo am-pamaranana dia nanantitrantitra ny Papa Ray Masina fa tsy mavesatra intsony ny fiainana rehefa manomboka manandrana ny hafalian'ny fiainam-baovao. Voaporofo nandritra ireo fitsidihana nataon'ny Papa Fransoa fa mitondra fanantenana tokoa Izy ary hita soritra teny amin’ny endrik’ireo Malagasy avy amin’ny afy valon’ny nosy efa ho 1 tapitrisa nanatrika ny fotoana teny Soamandrakizay izany ny sabotsy sy ny alahady.

 

Marigny A. sy Haja Nirina



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT