Finoana

Lamesa lehibe eny Soamandrakizay Raisina eny amin’ny diosezy ny tapakila fidirana


  • Talata 03 Septambra 2019

Efa azo raisina eny anivon’ny Diosezy tsirairay avy any amin’ny faritra ny tapakila fidirana eny Soamandrakizay, izay hanatrika ny ekariostia masina hotanterahin’i Papa François, ny alahady ho avy izao.

 

Araka ny fanazavan’ny mompera Rajoelison Germain, komity mpikarakara  amin’ny fandraisana an’i Papa, dia efa tomombana avokoa ny zavatra rehetra handraisana an’io vahiny io. Efa milamina koa ireo fotodrafitrasa rehetra, handraisana ireo mpizaika marobe, hoy hatrany izy. Toy izay koa ireo toerana handraisana an’ireo vahiny marobe avy amin’ny disosezy hitsena ity raiamandreny ara-panahy ity. Ho an’ny diosezy tsirairay avy amin’ny faritra, dia efa misy ny tompon’andraikitra sy ny fandaminana atao amin’ireo mpizaika, satria, samy te hitsena an’i Papa  avokoa izy ireo ary hamangy ny firenena Malagasy izy. Nohamafisin’ny mompera hatrany, fa nahare feo izy ireo fa misy olona hivarotra ny tapakila fidirana eny Soamandrakizay, mandritra ny lamesa fa alaina sy zaraina maimaimpoana izy io, ho an’ireo izay nisoratra anarana, fa tsy vidiana izany, hoy hatrany ny fanamafisany. Marihana fa hametrahana “camera de surveillance” ny lalana rehetra handalovan’i Papa François, miainga eny amin’ny Aeroport Ivato, ka hatreny Soamandrakizay. Tsiahivana fa ny zoma ho avy izao amin’ny 4 ora folakandro no higandona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato i Papa sy ireo delegasiona miaraka aminy.

 

Sitraka r.    

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT