Finoana

Lalŕna momba ny sekolim-pinoana Tena mety ho an’ny sekoly FJKM, hoy Raharinaivo Falimanana


  • Alarobia 31 Mey 2017

Anisan’ny niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina teo aloha ny momba ireo sekolim-pinoana izay tsy mahazo mampivavaka mpianatra mihoatra ny ora dimy isan-kerinandro.

Naneho ny heviny mahakasika izany Raharinaivo Falimanana,  talen’ny sekoly tsy miankina Sedera eny Amboniloha omaly. Nambarany fa ho azy ireo, sekoly tsy miankina izay eo ambany fiahian’ny fiangonana FJKM dia tena mety aminy tokoa ity lalàna napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ity. Ho azy ireo mantsy dia tsy mihoatra ora efatra isan-kerinandro akory ny  fampianarana finoana ho an’ny mpianatra izay tsy hanereny velively ireo mpianatra avy amin’ny finoana hafa tonga mandrato fianarana ao aminy. Mikasika ny fanomanana ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinam-panjakana manokana dia nomarihin-dRaharinaivo Falimanana talen’ny sekoly Sedera fa efa hatramin’ny ela izy ireo no niomana tamin’izany ka tsy dia misy loatra ny olana. Vao any amin’ny kilasy ambany ny mpianatra dia efa omanina hiatrika fanadinana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT