Finoana

Lala Rasendrahasina Ny 23 janoary no mandray fitarihana ny FFKM


  • Alatsinainy 03 Janoary 2011

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) no handimby toerana ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) na Anglikana amin’ny fitarihana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) mandritra ny taom-piasana 2011.

Araka ny fantatra dia amin’ny alahady 23 janoary izao, mandritra ny fiaraha-miombom-bavaka, no hatao ny famindram-pitantana sy fitsofan-drano hahavita be amin’ny iraka ampanaovina azy amin’ny fitarihana ny FFKM ny filoha vaovao, mpandimby, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina sady filohan’ny FJKM. Nandritra ny fivorian’ny Komity foiben’ny FFKM notanterahina tany Toliara nanomboka ny 22 novambra 2010, sady nanakatonana ny fankalazana ny faha-30 nijoroan’ny FFKM, tsiahivina ihany, no mamerina amin’ny FJKM indray ny fitarihana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ka mametraka ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina, handray an-tanana ny FFKM manomboka amin’io 23 janoary io, ho an’ity taom-piasana 2011 ity.

Tao anatin’izay 30 taona nijoroany izay dia ireo fiangonana efatra tranainy no mikambana ao amin’ny FFKM. Mifandimby mitondra ny fiangonana mikambana ao. Herintaona ny taom-piasana, ka ny filohan’ny fiangonana no lasa filohan’ny FFKM. Anjaran’ny EEM tamin’iny 2010 iny raha an’ny EKAR ny taona 2009, dia izao izy horaisin’ny FJKM izao indray. Ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja indray izany no handimby toerana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, filoha am-perinasa farany izao. Ny fanamafisana ny firaisam-pinoana no anisan’ny antom-pijoroan’ny FFKM. Na izany aza niditra an-tsehatra ary nanana anjara toerana tamin’ny famahana ny krizy politika teto Madagasikara ny FFKM, toy ny tamin’ny 1991, ny 2001, ary ny 2009. Tamin’ity farany ity anefa dia saika nampivaky ary teo ambavahaonan’ny faharavana ny FFKM, noho ny fifampiandaniana tao anatiny.
 
Nampivandravandra izany ny zava-nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena ny talata 17 martsa 2009, ary nisy fiantraikany hatrany amin’ny mpino, ka zary nahatonga ny sasany nivavaka nihambahamba. Na izany aza dia mbola miangavy ny FFKM ny CNOSC, nandritra ny Komity foibe natao tany Toliara farany teo, mba hiverina hanelanelana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ity. Nilaza ny pastera Rasendrahasina taorian’izay fa heno tokoa ny fiangaviana, saingy misy ny rafitra mandinika izany alohan’ny hisian’ny fanapan-kevitra. Dia mihatona eo ny raharaha mikasika iny fiangavian’ny CNOSC iny hatreto. Ankoatra izay dia ny hamerina indray izay fiverenana amin’Andriamanitra, fifankatiavana, firaisankina, fifamelana ary koa ny fifandeferana izany no anisan’ny nimasoan’ny filoha am-perinasa, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Mazava fa tsy ho vita indray andro na koa herintaona izany, fa asa maharitra ary inoana fa hotohizan’ny mpitandrina Rasendrahasina Lala.
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Nandalo fisedrana goavana ny FFKM hatramin’ny taona 2009 (Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT