Finoana

Lala Rasendrahasina Namindra ny fahefany


  • Zoma 26 Febroary 2016

Niala tsiny tamin’ny Fiangonana sy ireo mpino FJKM tohina noho ny zava-nitranga naha voatonontonona azy ny ny mpitandrina Lala Rasendrahasina omaly nandritra ny fivorian’ny Birao foibe teny Ampandrana.

 

 Nohamafisiny kosa fa madio tanteraka ny eritreriny manoloana ny fanalam-baraka ny tenany sy ny Fiangonana manontolo. Nandray fanapahan-kevitra hendry ny filohan’ny FJKM  sy ny birao foibe ka manomboka izao dia ireo filoha mpanampy roa no misahana ny raharaha rehetra na dia mbola mijanona ho filohan’ny FJKM  ihany aza ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Ny Synoda lehibe irery ihany no rafitra afaka manapa-kevitra ny amin’ny tohin’ny raharaha. Hampahafantarina amin’ny FJKM  rehetra manerana ny nosy izao fanapahan-kevitra izao.

Nambaran’ny mpitandrina Zarazaka Jean Louis, filoha lefitra omaly fa iray ihany ny FJKM  ary tandrovana tahaka ny anakandriamaso izany. Tsy maintsy tandrovana ihany koa ny mety hanafintohina ny vahoakan’Andriamanitra ka izay no nahatonga ny fialan-tsiny nataon’ny filohan’ny FJKM . Nanamafy kosa ny filoha lefitra laika Marc Ravalomanana fa fihetsika feno fanetren-tena no nataon’ny filohan’ny FJKM . Tsy izahay no hitsara azy satria sy manana fahefana amin’izany izahay, hoy izy. Nambarany fa mbola misitraka ny zony sy ny tombontsoany amin’ny maha lehiben’ny FJKM  azy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina tahaka ny fananana fiara sy mpamily, trano. Niteraka resabe tokoa ity raharaha ity ary efa nisy mihitsy ny feo nivoaka fa misy ifandraisany amin’ny Synoda lehiben’ny FJKM  hatao ao Antsirabe amin’ny volana aogositra amin’ity taona ity sy ny fifidianana hatao mandritra izany izy ity ary misy idirana olona ao anatin’ny fitondrana. Tsy nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana, na nila vaniny taman’olona anefa ny FJKM  fa nandinika am-pitoniana ary nandray ny fanapahan-kevitra noheveriny fa mety sy araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT