Finoana

Lala Rasendrahasina Mibebaka aloha vao mihavana


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Na dia eo aza ny antso avy amin’ny CNOSC sy ny fikambanana maro hafa dia tsy mbola hiroso amin’ny asa fanelanelanana hikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ny FFKM.

 Araka ny nambaran’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina mantsy dia tsy ny olombelona velively fa Andriamanitra no miantso ny FFKM amin’izay asa tokony hataony. Nohamafisiny indray fa ny antson’Andriamanitra no mibaiko ny fiangonana fa tsy ny antson’olombelona ka na firy olona na fikambanana na antoko politika miantso etsy sy eroa dia tsy hihetsika mihitsy ny FFKM raha tsy Andriamanitra no miteny.

Misy fotoanany ny zava-drehetra, araka ny nambaran’ity filoha mpitarika ny fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara ity, ary ny fiangonana ihany no mahalala fa tonga ny antson’Andriamanitra. Nasian’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina tsindrim-peo manokana fa tsy misy krizy mivaha izany eto raha tsy mihavana aloha ny samy Malagasy. Ary mialoha izay dia samy miaiky ny heloka vitany sy ny tsy nety nataony tany aloha na amin’izao fotoana aloha ny tsirairay. Na dia tsy niteny nivantana aza ny filohan’ny FFKM dia mazava ny tiany ambara fa tsy maintsy mibebaka sy miaiky ny tsy nety nataony tamin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ireo mpitondra teo aloha sy ny ao anatin’izao tetezamita izao, ary aorian’izay vao miroso amin’ny fampihavanana ka mety amin’izay vao hiditra an-tsehatra ny FFKM.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT