Finoana

Lahiniriko Jean Voatazona ho mpitahiry volan’ny FLM


  • Zoma 16 Septambra 2016

Voafidy nandritra ny Komitin’ny Sinaoda Lehibe faha-22 notanterahina tao Antsirabe ireo mpikambana mandrafitra ny Birao vaovaon’ny hitantana ny Fiangonana Loterana Malagasy mandritra ny efa-taona. Filoha i Pastora Rakotonirina David filohan’ny Sinodam-paritany Antananarivo

. Izy no handimby toerana an’i Pastora Dr Rakoto Endor Modeste, izay handeha hisotro ronono. Filoha lefitra Pastora Octave Benil, filohan’ny Sinodam-paritany Atsinanana (Farafangana). Tonia i Pastora Randrianirina Dieudonné, Filohan’ny Sinodam-paritany Afovoany sady Tonia Lefitra FLM teo aloha. Kandida filoha nifaninana tamin’ny Pastora Rakotonirina David izy. Tonia lefitra Rtoa Teolojiana Toromare Mananato. Voatazona amin’ny toeran’ny mpitahiry vola i Lahiniriko Jean. Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena in-droa miantoana, 2006 sy 2013 ity farany, ary efa depioten’i Betioky Atsimo ary filohan’ny Antenimieram-pirenena (2003-2006) ihany koa. Asa goavana avy hatrany no miandry ny birao voavaon’ny FLM. Eo ny fankalazana ny faha-500 taonan’ny Reformasiona ny taona 2017, ao anatin’izany ny faha-150 taonan’ny FLM teto Madagasikara. Fananganana birao foibe hiasana ao amin’ny foiben-toerana ao Isoraka ho tsangambaton'ireo hetsika roa ireo. Hisy koa ny fananganana kitapo iombonana hifampitsinjovan’ireo mpiara-miasa rehetra manerana ny nosy, indrindra fa ireo miasa any an-tany lavitra andriana eo anivon’ny Fiangonana.

Caïus R. sy Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT