Finoana

Krizy sy fahantrana mamely Mila vavaka ny firenena


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Tena mila vavaka ny firenentsika manoloana ireo olana maro samihafa mitranga ankehitriny.

Ankoatra ireo mpitondra dia mila izany ihany koa ny firenena sy ireo vahoaka ao aminy indrindra amin’izao hankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona, tsingerin-taona faha-63 nahazoantsika ny fahaleovantena izao. Tsy diso anjara tamin’izany ny kaominina Talatamaty omaly, notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Tao amin’ny FJKM Betela Tanjondava no nanatanterahana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana mifandraika amin’izany izay nahavory olona marobe tokoa. Nambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra nitondra ny tenin’Andriamanitra omaly fa sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra izao. Izany indrindra no antom-pisian’ny vavaka niombonam-po tahaka ireny izay tokony ho fitaratra sy maodely ho an’ny kaominina rehetra, indrindra fa ny mpitondra.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanàna nanokatra ny fotoam-bavaka tao amin’ny FJKM Betela Tanjondava Talatamaty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT