Finoana

Krizy eto amin’ny firenena Miantso fanetren-tena sy firaisankina ny FFKM


  • Talata 28 Novambra 2017

Taorian’ny fivoriana nataony tany Antsirabe ny 23-26 novambra teo, dia vara-datsaka ary mahery ny fanambaran’ny FFKM.

 

 Eo amin’ny lafiny finoana, dia mbola mitohy ny famakiana sy fandrobana fanaka masina sy ny fandorana baiboly ary ny famonoana mpitondra fivavahana. Tsy voafehy ny lafiny toekarena ka lasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena satria lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy, ary tsy mangarahara ny fifanarahana amin’ny vahiny. Tsy mangarahara ny fampiasana ny volam-panjakana ka lasa mifangaro amin’ny asan’ny antoko. Ny tsy fanatanterahana ny fehin-kevitra tamin’ny fampihavanam-pirenena ny 4F (Fibebahana, Fieken-keloka, Fivavahana, Fahamarinana) no antony tsy fandrimpahalemana, fahalovana, fihanaky ny zava-mahadomelina, hoy ny FFKM. Novakian’ny FFKM bantsilana ihany koa fanaovana ampihimamba sy fitaovana ny haino aman-jerim-panjakana. Ny vaovaon’ny antoko no mibahan-toerana amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ka tsy mahazo afa tsy vaovao ny olom-pirenena, hoy ny FFKM. Miangavy ny fanjakana mba hihaino am-panetren-tena ny feon’ny fiangonana ny FFKM satria efa tena marary ny vahoaka, ary tsy ny vahiny no tokony hahazo vahana eto amin’ny tanin’ny Malagasy.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT