KRISTIANINA TSY MAHAZO VALIM-BAVAKA

Mila mandini-tena, hoy Pastera Heritiana


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Betsaka ireo Kristiana mitaraina ho tsy mahazo valim-bavaka amin’izao.

Mitalaho isan’andro indrindra amin’izao fotoanan’ny fifadian-kanina hidirana amin’ny fetin’ny Paska izao saingy miala maina. Tena mamaly vavaka anefa Andriamanitra hoy Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Ho an’ireo tena manao ny sitrapony sy manaraka ny voalazany ao anaty Baiboly hoy izy nefa tsy mahazo valim-bavaka dia mety misy antony hafa. Raha zavatra iray mantsy no hangatahin’ilay olona hoy izy dia mety ho roa no omen’Andriamanitra azy amin’ny fotoanany fa mitakt faharetana fotsiny. Ho an’ireo mbola tsy tena manaraka ny sitrapony kosa indray nefa mitalaho sy mivavaka dia mila miroso sy manao ny mety hatrany mba hahazoany izany valim-bavaka izany. Notsiahivin’ny Pastera Heritiana moa fa fotoana fanavaozam-panahy sy fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izao ankatoky ny Fetin’ny Paska izao.
Pati
Legende : Tena mamaly vavaka Andriamanitra hoy Pastera Heritiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT