Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Variana amin’ny ady politika isika”


  • Talata 14 Septambra 2021

Samy mandia fotoan-tsarotra ankehitriny na ny mpanohitra na ny mpitondra eto Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

 Miainga amin’ny fatokisan’ireo mpamatsy vola antsika ny zava-drehetra eto, hoy izy. Mila hafetsena sy fahamatorana izany. Mila jerena ny fomba famindra sy fitantanana izay tokony hifantoka amin’ny tontolo ambanivohitra sy sosialim-bahoaka. Mikaikaika amin’ny fahasarotam-piainana ny vahoaka Malagasy ankehitriny nefa raha ny politika misy eto tsy hahavaha izany. Maika ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Ahoana ny hifehezana ny vidin-javatra eny an-tsena? Mila ahena daholo ny any amin’ny fadin-tseranana na Ladoany rehetra any. Miakatra daholo ny vidina entana ilaina an-davan’andro sy ny menaka ary hiakatra koa ny vidim-bary raha izao satria hiditra maitso ahitra isika. Mifandrirotra izao ny mpanao politika ary variana amin’ny ady politika isika fa tsy mifantoka amin’ny fampandrosoana. Tsy mijery ny tena ilaina isika nefa tokony hifanohana sy hifanome hevitra, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT