Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Vahaolana maika ny fanampiana ireo tantsaha”


  • Talata 12 Oktobra 2021

Tsy henoheno intsony ny resaka Covid 19 ankehitriny, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

 ary isaorana an’Andriamanitra fa lefy izany. Maresaka indray izao ny politika, hoy izy. Maika anefa ny sosialy izay tena mampijaly ny vahoaka ankehitriny. Betsaka ny olona efa tsy mihinan-kanina intsony. Raha mandeha any ambanimbanivohitra any ianao dia misy zara raha mahita vary iray kapoaka ny olona 7 mianaka. Tsy an’asa ny ankamaroan’ny olona. Tokony hifantoka betsaka amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondrana, indrindra, anatin’izao akatoky ny fahavaratra izao. Ahoana no hahafahana mamokatra aingana sy betsaka eto Madagasikara? Tsy takatry ny tantsaha izao ny vidin-jezika. Vahaolana haingana amiko, raha mihaino ny fitondram-panjakana, dia izay lafiny famokarana sy fijerena ny fandriampahalemana izay. Tsy ny hanenjika firenena matanjaka aloha no maha maika fa izany fanafarana sakafo amina sambo miisa 20 izany dia mitory fa mahantra isika satria tsy misy sakafo ato amintsika. Nanondrana sakafo tany ivelany isika raha tena matanjaka. Sazy sahaza no tokony omena ny manao ny tsy mety. Raha mangalatra mangahazo iray sobika dia tokony asaina mamboly amin’ny tany 1ha, ohatra, satria mbola malalaka ny tany eto dia azy ihany iny rehefa vokatra. Gadraina mandra-pahafaty ny mpangalatra omby. Vahaolana maika izao, hoy hatrany izy, ny fanampiana ireo tantsaha.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT