Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Tsy mahagaga raha misy ny ady an-trano”


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Tsy mahagaga, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, raha misy ny ady an-trano na zava-mamoha henatra, izany hoe “scandale”,

maro isan-karazany eo amin’ny fitondram-panjakana satria zava-poana ny zavatra tsy miorina ambony vatolampy. Betsaka, hoy izy, ny tsy mametraka ny olany sy fiainany eo am-pelantanan’Andriamanitra fa ny maha maika ny olona amin’izao fotoana dia ny voninahitra sy seza. Raha ireo rehetra ireo no tadiavina dia tsy aharitra. Raha mikatsaka ny tombotsoam-bahoaka marina ianao dia tokony hahatsapa fa na io fiovaovan’ny governemanta matetika io aza dia midika fiovaovan-tsaina miasa ao isaky ny mihetsika koa. Izay apetraka ao dia tsy misy mieritreritra sy mitaintaina afa-tsy ny hoe rahoviana aho no mety hiala eto. Manainga ireo mpitondra sy ny rehetra noho izany hanankina ny fiainantsika amin’Andriamanitra. Matoa misy ny fivakisana eo amin’ny samy mpitondra dia midika mazava izany fa misy tsy milamina ao. Ireny no mampiseho fa misy tsy mandeha sy tsy mety ao. Na ny vehivavy hanamarika ny androny aza nosakanana teto. Sary ratsy ho an’ny fitondrana ireny, hoy hatrany ity Kristianina mandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT