Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Tsy mahagaga raha misy ny ady an-trano”


  • Zoma 17 Martsa 2023

Tsy mahagaga, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, raha misy ny ady an-trano na zava-mamoha henatra, izany hoe “scandale”,

maro isan-karazany eo amin’ny fitondram-panjakana satria zava-poana ny zavatra tsy miorina ambony vatolampy. Betsaka, hoy izy, ny tsy mametraka ny olany sy fiainany eo am-pelantanan’Andriamanitra fa ny maha maika ny olona amin’izao fotoana dia ny voninahitra sy seza. Raha ireo rehetra ireo no tadiavina dia tsy aharitra. Raha mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka marina ianao dia tokony hahatsapa fa na io fiovaovan’ny governemanta matetika io aza dia midika fiovaovan-tsaina miasa ao isaky ny mihetsika koa. Izay apetraka ao dia tsy misy mieritreritra sy mitaintaina afa-tsy ny hoe rahoviana aho no hiala eto. Manainga ireo mpitondra sy ny rehetra noho izany hanankina ny fiainantsika amin’Andriamanitra. Matoa misy ny fivakisana eo amin’ny samy mpitondra dia midika mazava izany fa misy tsy milamina ao. Ireny no mampiseho fa misy tsy mandeha sy tsy mety ao. Na ny vehivavy hanamarika ny androny aza nosakanana teto. Sary ratsy ho an’ny fitondrana ireny, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT