Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tsy fanaovana «récupération politique» ny fahavoazan’ny vahoaka»


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Misy rivo-doza mandalo eto Madagasikara isan-taona, hoy ny Kristianina mandinika

raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa tsy hoe zava-baovao akory izany na hoe sambany misedra izany ny fitondràm-panjakàna ankehitriny. Natao tsy maintsy hiomana amin’izany, hoy izy, izay mpitondra rehetra mifandimby eo. Misy koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny famonjena ireo traboina ary isan’ny famatsiana azo hatrany izany menaka, fotsimbary, lay, vedety hamonjena ireo olona anaty rano sy ny tahaka izany. Tsy natao hanaovana «récupération politique» na fampisongadinana eo amin’ny lafiny politika sy ireharehana ny fahavoazan’ny vahoaka fa isaorana avokoa ireo miara-misalahy amin’ny andro sarotra toy ireny. Ny vahaolana maharitra andrasana dia hoe ahoana no tsy hiverenan’ny toy ireny intsony? Tokony iomanan’izay fitondràna ifandimby rehetra eto amin’ny firenena izany. Eo ny fanabeazana ny olompirenena tsy hanarinary ny lotony eny rehetra eny ka hanentsika ireo tatatra sy lalan-drano samihafa dieny maina ny andro. Lasa asa maika sy andavan’andro eto ny famahana olana rehefa tonga ny fahavaratra raha toa ka dieny mbola tsy fahavaratra izany dia efa vahana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT