Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Tsy afaka hampandroso izay tsy mahay mihaino”


  • Zoma 04 Novambra 2022

Ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika izao no hitanay ho zava-dehibe, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

Manana zavaboary tsara dia tsara isika, hoy izy, raha tsy hiresaka ny ao Nosy be, ohatra. Ireny sy ny ala eto amintsika aloha amiko no tena tokony arovana mafy. Ny zava-misy ao aminy no mampalaza ny firenena iray fa tsy fanaovana dika mitovy zava-misy any ivelany. Ny biby ato aloha no tokony ho kolokoloina tsara sy hisintomana vahiny. Mikasika ny toe-draharaha politika dia zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena hijerena ny mahasoa an’I Madagasikara. Raha tsy mifankatia ny malagasy dia mbola hisy lolom-po foana amin’izay rehetra atao na inona na inona. Ilaina noho izany ny firaisankina sy fivondronana. Iray ihany isika malagasy ary tsy misy hafa raha dinihina. Ny hampandroso an’I Madagasikara. Ilaina ny mifanatona sy mifamela heloka ary mifandinika amin’ny zava-drehetra. Tsy mitondra soa ny fifandroritana, hoy hatrany izy, satria tsy afaka hampandroso an’I Madagasikara na oviana izay tsy mahay mihaino ny feon’ny maro sy ny vahoaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT