Kristianina mandinika raharaham-pirenena

“Tokony raràna ny fitondrana finday rehefa hifidy!”


  • Zoma 15 Septambra 2023

Misy tsy milamina matoa misavorovoro toy izao ny firenena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-misy eto Madagasikara rehefa dinihina, hoy izy. Miahiahy ny CENI sy HCC ny rehetra. Tokony hipetraka ny marimaritra iraisana mikasika ny mpikambana ao. Azo atao ny hoe manendry mpikambana mety aminy ao ireo kandida miisa 10 satria ny hita izany izao dia olon’ny kandidam-panjakana no mameno ao. Ampy foana ny fotoana handaminana rehefa tena vonona ny mpanao politika sy ny rehetra. 2 andro io dia voalamina rehefa tena vonona ny mpanao politika sy ny rehetra. Tsy dia voaresaka amin’ny mba hisian’ny fifidianana mangaraharaha sy hisorohana ny kolikolim-pidianana na fividianana safidy ny hoe tokony tsy azo atao ny mitondra finday rehefa hifidy! Ajanona aty ivelany ny finday fa tsy entina anaty trano fisainana. Akan-drizalahy sary iny dia hita eo izay olona voatsipika dia lasa misy mividy izany ny zon’ny olona tokony mifidy. Tokony raràna ny fitondrana finday rehefa hifidy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT