Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tena hita hoe ampahantraina ny vahoaka hatreto»


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Mijaly ny vahoaka amin’ny jiro sy rano, raha ny zava-misy eto Madagasikara,

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Ny mahagaga, hoy izy, dia mitovy foana ny vola alohanao rehefa tonga ny faran’ny volana. Ny fanjakana izany no hita hoe mangalatra ankehitriny rehefa tena dinihina satria io jiro sy ranonao io izany tokony hihena, raha ny tena marina ny tena vidiny fa tsy tokony hitombo. Efa tsy miodina ny fanisana na «compteur» saingy ny ankamaroan’ny olona moa tsy manao fitarainana intsony amin’izao fotoana izao. Tsy mandeha ny rano any amin’ny tokantrano tsirairay avy any. Tsy mandeha ny rano any amin’ny fidiovana. Toy izay koa ny fahadiovana isan-tokantrano. Ny fanjakana no tokony hanao maodely sy fahamarinana fa raha tsy misy ny fahamarinana fa entina toy ny hoe raha misy vola mbola tsy voaloha ao amin’ny JIRAMA ao na ahoana dia raha mandinika isika rehetra dia ny faktioranao ihany no faktioranao na miasa io Jiro sy rano io na tsia. Andramo tsy ampiasaina 1 volana ny jironao na ny ranonao dia ho hitanao fa mbola hisy faktiora tonga 1 volana ihany ao aminao. Mandeha jonjorombina fotsiny izany ny JIRAMA fa tsy mijery ny fiodin’io fanisanao io amin’izao fotoana izao. Hiteraka korontana eto amin’ny firenena raha tapahina ny JIRAMA satria ny JIRAMA no tsy mahafa-po ny mpanjifany indrindra. Tapaka lava ny jiro ary miha mahantra hatrany ankehitriny ny vahoaka satria tsy mifanaraka ny tolotra sy ny tinady ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny olona iray mikarama 1000.000 Ariary dia iny ihany no karamany fa ny zavatra rehetra dia miakatra nefa raha hampiakatra vidin-javatra koa ianao dia vao miha mahantra koa ny vahoaka rehetra. Azo ampiasaina marina ve ny solika mavesatra eto amintsika? Trandraho raha azo ampiasaina marina! Tokony hiasa ny manam-pahaizana rehetra amin’izanysatria tokony hampidina betsaka ny vidin’ny JIRAMA io saingy hatreto dia hita aloha fa mbola zanatany isika. Tena hita hoe ampahantraina ny vahoaka hatreto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT