Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Olona tena mahalala ny filam-bahoaka no ilaina”


  • Zoma 18 Febroary 2022

Namerina hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa tsy misy afa-tsy ny fitodihana amin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao ihany no mahatafavoaka eto amin’ity firenena ity.

Maodely eto amin’ny tany sy ny firenena ny mpitondra, hoy izy. Hitantsika fa mikorontana izao tontolo izao sy ny fiainam-bahoaka. Isika mpitondra anefa, hoy aho, no maodely ka ataovy amin’ny fahamarinana sy hitsiny ny atao mba ho tarafin’ny rehetra. Izao mahazo izao indraindray efa kapok’Andriamanitra ihany fa raha misy olona manao ny marina dia tsy ho aringana ity Madagasikara ity. Mandalo ady sarotra ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka na ny hanina ho hanina aza dia tena mbola manahirana azy. Tokony hijoro ho raiamandreny marina ny mpitondra sy ny mpanabe rehetra ary hametraka ambony ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka. Aza 4x4 no vidiana ho an’ny zanakao raha noana izy! Jereo izay maika sy ilain’ny vahoaka! Vonona ve ny masomboly ho an’ny tantsaha satria raha zarina omena foana koa ny vahoaka fa tsy hiasa dia tsy ho tafarina ity firenena ity. Omeo sakafo aloha izy dia avy eo omeo asa. Omeo masomboly maika dia maika ahafahany mamokotra anatin’izao mbola avy orana izao. Olona tena mahalala ny filam-bahoaka ampidirina anaty governemanta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT