Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Ny vahoaka no tompon’ny teny farany»


  • Zoma 07 Jona 2024

Ny tenin’ny Tompo no manambara fa ny fandehanana amin’ny fahamarinana no miteraka

fitahiana ho an’ny taranaka rehetra, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Voalaza, hoy izy, ao anatin’izany fa na ny biby fiompinao aza hahazo fitahiana. Izay rehetra mangalatra kosa, hoy ny tenin’ny Tompo, dia efa voarara hoe aza mangalatra ianareo! Rehefa tsy mandeha amin’ny marina sy hintsiny isika dia tsy hahazo fitahiana mihitsy na inona atao. Na hanao tetikasa goavana tahaka ny inona aza ianao, rehefa tsy amin’ny fahamarinana no hahazoana toerana dia zava-poana. Tsy hateza fa tsy maintsy hirodana. Hita ho mitady ny marina ny tsirairay izao. Iza marina no tena tompon’ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena? Ny vahoaka no tompon’ny teny farany. Aza avilivily ny safidiny! Izay rehetra mitady toerana tsy amin’ny alalan’ny fahamarinana sy safidim-bahoaka dia tsy hahavita na inona na inona. Ny fitiavam-bola, harena, voninahitra no lasa manjaka. Izany izao no hita eto Madagasikara ka matoa izahay miteny izany rehetra izany dia mba te hitaona ny firenena hitodika amin’Andriamanitra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy ary hitaiza ny olona amin’ny fahamarinana satria na inona atao dia ny mpitarika aloha no tena tokony hijoro amin’ny fahamarinana mba ho fitaratry ny vahoaka tsirairay avy, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, satria rehefa mahitsy ianao dia inoana fa ho tsara daholo ny rehetra atao ary handroso ity Madagasikara ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT