Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Ny tenin’Andriamanitra aza maneho fa ilaina ny mpanohitra»


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Manana ny hasiny sy ny zony afaka miteny sy manitsy ny tsy mety amin’ny tany ama-monina

na firenena ihany koa ny olona tsirairay avy, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiharimanana. Zava-dehibe ny fihainoana ny feon’ny vahoaka, hoy izy. Ny vahoaka no masi-mandidy eo amin’ny tany sy ny toerana misy azy. Matoa misy ny fitondràna dia misy ny atao hoe vahoaka. Matoa misy ny fanjakàna dia misy ny vahoaka. Toy izany koa ny anto-pisian’ny fokontany sy kaominina. Ny hasin’ny olona tsirairay avy no tokony ho hajaina raha te haharitra eo amin’ny toerany izay rehetra mitondra. Fantatry ny olona ny tena tokony ho filoha ao amin’ny fokontaniny. Toy izany koa ny kaominina. Fifidianana manakaiky vahoaka izany. Tokony ho tandreman’ny fitondràm-panjakàna ao anatin’izany ny fahamarinana amin’ny maha raiamandrenin’ny vahoaka azy. Ny raiamandreny tsy natao hamono zanaka. Raha mamono zanaka ny ray aman-dreny dia hahatsiaro hijaly ny zanaka ary lasa manohitra ray aman-dreny. Manahirana ny fitondràna olona. Raha poretinao mafy hisy hibirioka. Raha tambazanao, tsy hanaja anao. Ny fifampiresahana sy fifanatonana ihany no tena zava-dehibe eto amin’ny tany sy ny firenena. Anaty fahavaratra isika izao. Mijaly sy noana ny olona. Miteraka krizy ho an’ny firenena koa izany. Hiteraka korontana eto Madagasikara izao raha mitohy. Misy manoro vohana ny filoham-pirenena anaty fitondràna ao no olana. Mila dinihina tsara izany satria tsy ho araky ny filoham-pirenena daholo ny zava-misy amin’ny kaominina rehetra. Ny olona anaty kaominina no tena maharaka ny zava-misy ao aminy. Izany no antony tokony hanajàna ny safidiny na ben’ny tanàna io na solombavambahoaka fa rehefa tsy hanaja izany dia tokony ho tendrena daholo izay hitondra rehetra. Raha ataontsika koa aza hoe lokon’ny fitondràna irery no atao lany na aiza na aiza dia tadidio fa tsy handeha izany fitondràna tsy misy mpanohitra izany. Na ny tenin’Andriamanitra aza miteny hoe sambatra ianao raha misy mpanenjika. Ny tenin’Andriamanitra aza maneho fa ilaina ny mpanohitra. Natao hanitsiana ny dian’ny mpitondra ireny rehetra ireny. Natao hifampifehezana sy hitondra fampandrosoana anaty firenena daholo izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT