Kristianina mandinika raharaham-pirenena

Nitety faritra, nahita fa tena sahirana ny olona


  • Talata 29 Oktobra 2024

Nisy ny fitetezam-paritra tany amin’ny tapany atsimon’ny nosy izay notontosain’ny Kristianina mandinika

raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, nijerena ny fahasahiranam-bahoaka tany amin’iny faritra Androy sy Anosy iny. Tena sahirana ny olona, hoy izy, saingy isaorana ny Tompo amin’izao fotoana izao fa mba nilatsaka ny orana. Velom-panantenana indray ireo mponina. Ny ranomaso sisa no tsy latsaka mijery ireo mponina hoe io ranom-potaka na ranon’orana efa hitsahin’ny fiara sy izay mandalo eo an-dalana rehetra io no tatavaniny sy sotroiny, ataony amin’ny tavoahangy. Izany no zava-misy hitanao amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny. Tena mijaly amin’ny tsy fisian-drano ny olona. Azo atao tsara nefa ny mitarika rano any an-toerana rehefa jerena. Azo atao izany amin’ny alalan’ireny tetikasa fitrandrahana rano hiboboika avy ao ambanin’ny tany ireny hanaovana fitarihan-drano na «forage» sy ny tahaka an’izany. Tokony imasoan’ny fitondram-panjakàna maika dia maika izany. Rehefa tena dinihina koa nefa dia hita ho tany mahavokatra any rehefa avy ny orana. Azo trandrahana tsara any, ohatra, ny voly mangahazo, voamanga, katsaka, voanjo ary mbola malalaka ny tany. Ny ao Androy izao dia efa misy ny ezaka ataon’ireo tantsaha amin’ny fambolena karaoty, ohatra. Hita ho miroborobo izany. Toy izany koa ny voly ovy. Efa manandrana ry zareo fa tokony hisy ny fampirisihina avy amin’ny fitondram-panjakàna. Tokony hisy ozinina fanodinana ireny sakafo ireny mihitsy any. Azo atao ny mamadika ireo vokatra ho provandy na sakafo ho an’ny olombelona ihany koa ary tokony ho vita ao an-toerana ihany izany. Mamokatra iny faritra atsimo iny rehefa avy ny orana ary fotoana fohy dia efa tena ngeza ireo voamanga sy mangahazo na ny toy izany. Azo avadika ho lafarinina izany na fangarona hanin-kotrana mitondra fahasalamana samihafa. Tokony mba hampianarina hanangona koa ireo mponina mba hanana ambim-bava amin’ny fotoana mety manahirana rehetra toy ny haintany. Misy fotoana tsinona ireo mponina, vokatr’ilay fahasahiranana, dia amidimidiny fahatany fotsiny ny vokatra. Ny mari-trano koa matetika tsy hita hanaovana sompitra ho an’izay fanangonan-tsakafo izay. Nataony hatoriana fotsiny ny azy ny trano fa tsy ohatran’ny antsika aty andrenivohitra amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT